• Tena marina mihitsy izany iray olona â !


    Ny fiavonan'ny gasy aty an-dafy
    Notsoahana tao amin'ny : Jeunes e-Gasy
    Vendredi 07 Janvier 2005

    Miarahaba antsika rehetra,
    Nony nanokatra ity takelaka ity aho anio dia hitako avy hatrany io lohahevitra io.
    Misy ambara indrindra aho mikasika izany, ka mahatonga aho mba handray anjara araka izay kely hitako sy reko.
    Tsy efa ela aho no teto Frantsa. Raha ny isan'ny Malagasy eto tokoa dia azo lazaina fa tsy vitsy.
    Zavatra iray izay nahasadaikatra ahy ihany io fisehon-javatra iray io raha vao tonga teto voalohany aho. Mazava ho azy fa rehefa vao tonga moa dia liana ny ahafantatra ny zava-misy....
    Indray andro ary tao Paris no nahitako Malagasy iray izay noharabaiko (efa fanaoko moa io nanomboka izaho taty Frantsa izay)..... Fantatro izao fa Malagasy tahaka ahy, mpiray tanindrazana amiko (fa tsy Cambodgien akory... matetika mantsy sarotra no mamantatra ny Cambodgien @ Malagasy).
    ....Tsy namaly ahy izy.... Azoko heverina ihany hoe sao noheveriny fa fanàdalàna azy satria tovovavy ilay olona ary izaho tovolahy.... Diso aho anefa satria tsy nijanona teo izy fa nojereny ambony ambany aho dia nihodina izy avy eo nanohy ny làlany.
    Tonga dia hita soritra eny @ masony avy hatrany ny tiany ambara e !!! Dia gaga tokoa aho noho izany.
    Mampalahelo tokoa ilay toe-tsaina. Misy an'itony internet itony aza moa dia vita ny miresaka sy mifanerasera @ olona "tsy fantatra" akory.... Ka nahoana no samy isika Malagasy izao indray no misalasala ?
    Ny tsara azo lazaina kosa anefa, (izay adinontsika indraindray) dia soa ihany fa tsy ny Malagasy rehetra eto Paris no manao izany. Paris no lazaiko satria tao Paris ihany no nahitako io toe-javatra io. Ary tao Paris ihany koa aho no niaraba Malagasy hafa izay namaly tamim-pitsikiana.... Tsy nisy olana.
    Izaho tsy mipetraka ao Paris ary fantatro tsara fa aty @ misy ahy, ny Malagasy miresaka sy mifampiarahaba tsara rehefa mihaona.
    Tsara ho fantatra fa isika Malagasy eto Frantsa ange tsy mba manana centre culturel e !!! (Jereo ireo hafa firenena tonga eto Frantsa. Manana ny soatoaviny avy izy ireo. Ary toerana tena ampisehoana izany ny fisiany an-tanin'olona).
    Koa raha tsy manana izany sehatra ahafahan'ny Malagasy rehetra mihaona sy mifanerasera izany ary isika eto Frantsa, maninona raha mba mifampijery e !!! Zavatra tsy sarotra na ilaina fahaizana manokana... Tsiky iray d ampy hoy ny namana Hery.
    Ny tohin'ny tantara dia tsy nahoako izay nasetrin'ilay tovovavy ahy izany satria na inona na inona no nitranga dia tsy nanàkana ahy ny hiarahaba izany, isak'izay mahita Malagasy aho.
    Heveriko fa tokony ataontsika rehetra ihany koa izany. (Soso-kevitra ihany moa io).
    Ny miavona tsy maintsy misy, saingy tsy aleo ve tonga dia atomboka amintsika ny fivoarana e !!! Tsy miandry izay tsy vonona isika fa tonga dia manao...
    Tsy tokony ho kivy mahita ireo Mpiray tanindrazana amintsika miavona, fa miezaka ny manarina @ alalan'ny fiarahabana izay ataontsika. Sa ahoana hoy ianao izay mamaky ?....
    Eto am-pamaranana dia velom-panantenàna aho satria fantatro fa Hendry ny Malagasy ary tia Fihavanana. Soatoavina Malagasy io ka rariny raha manindrahindra izany avo isika tsirairay.
    "Atsipy ny tady an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon'izay mahalala".
    Mirary taona vaovao 2005 sy soa be dia be ho an'ny Malagasy rehetra, na ny any Madagasikara na ireo miparitaka eran'izao tontolo izao.
    Mba ho taona feno fifaliana izany taona izany, sy taona fifandraisan'ny samy Malagasy.
    Mazotoa dahol ory zareo a !!!
    Stefana A.
    Janoary, Zoma faha 07, 2005





    Posté le: Jeu 19 Fév, 2009
    Sujet du message: Rassemblement pour la paix à Madagascar

    Face aux évènements qui se déroulent à Madagascar, un comité de particuliers et de jeunes a décidé de (ré)agir. Sous la principale intiative du Pasteur Jacky, un rassemblement des malgaches de toute origine s'est donc tenu sur le parvis des droits de l'Homme du Trocadéro à Paris ce Samedi 14 Février 2009. Sans couleurs politiques, ce rassemblement a eu comme seul but d’appeler chaque personne à s’unir pour la paix à Madagascar. Il n'était en aucun cas question de prise de position face à la crise, mais d’une prise de conscience collective sur l’avenir que nous voulons pour notre pays : un avenir meilleur. Chacun avait droit à la parole, et beaucoup se sont exprimés avec leur coeur.
    Ce fut un évènement particulier, car il a entièrement été promu sur un Internet, notamment un site communautaire que tout le monde connait déjà maintenant, et dont je ne citerai pas le nom.
    Même si quelques uns doutaient de l'indépendance du mouvement (apolitique), le résultat est là : une dizaine de médias sur les lieux, 250 malgaches (ou non) présents, et de l'écho un peu partout sur les sites malgaches.

    Mipetraka ny fantaniana : Maninona ianareo no tsy mba mano ansto avo ?




    Jeu



    votre commentaire


    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique
    Suivre le flux RSS des commentaires de cette rubrique