--♫*`¯`*♫ `) ♥ (`.♫*`¯`*♫--
(.♫`(`.♫.`) . ♫)
("*")
♫
Tiako, tiako
ary tena faniriako
raha ialahy no mba namana
Mety handray ireto
Ireto tanana
_____,-(''-.,(''-.,*♥*,.-''),.-'')-,________
¯¯¯¯¯¯'-(,.-''(,.-''*♥*''-.,)''-.,)-'¯¯¯¯¯¯¯
Indrisy, indrisy !
Toa mitady ny tsy misy
Fa ialahy Rafahafahana
Toa mandà, tsy mety
Mety ho namana
_____,-(''-.,(''-.,*♥*,.-''),.-'')-,________
¯¯¯¯¯¯'-(,.-''(,.-''*♥*''-.,)''-.,)-'¯¯¯¯¯¯¯
Teto aho dia nipitrapitra
Sy nitsiriritra
Ny tsy natao ho ahy
♥
Nefa fitia tsy mety ritra,
Mikiry sy maditra,
Natokako an'ialahy
_____,-(''-.,(''-.,*♥*,.-''),.-'')-,________
¯¯¯¯¯¯'-(,.-''(,.-''*♥*''-.,)''-.,)-'¯¯¯¯¯¯¯
Indraindray, indraindray
Variana aho mijery an'ialahy
Manantona ireo zay tsy mitady,
Fa miavona anay,
Zay mandadilady
_____,-(''-.,(''-.,*♥*,.-''),.-'')-,________
¯¯¯¯¯¯'-(,.-''(,.-''*♥*''-.,)''-.,)-'¯¯¯¯¯¯¯
Inona, inona
No anaovan'ialahy ahy tsinontsinona ?
Manavaka trano hidirana,
Sa ve ialahy mifidy fihodirana ?
_____,-(''-.,(''-.,*♥*,.-''),.-'')-,________
¯¯¯¯¯¯'-(,.-''(,.-''*♥*''-.,)''-.,)-'¯¯¯¯¯¯¯
Zahay ety,
Mijinja ny mafaitra,
Mitaty ny tsy laitra,
Tsy afaka manoatra
♥
Iandrasana
Hitondra takaitra
Zay angamba ialahy vao taitra !
Sao dia mba tara loatra
_____,-(''-.,(''-.,*♥*,.-''),.-'')-,________
¯¯¯¯¯¯'-(,.-''(,.-''*♥*''-.,)''-.,)-'¯¯¯¯¯¯¯
Potika, potika
Fo sy saina rotidrotika
Miantomboka ny faharavana
Ka eo ilay lery, ry figadrana
_____,-(''-.,(''-.,*♥*,.-''),.-'')-,________
¯¯¯¯¯¯'-(,.-''(,.-''*♥*''-.,)''-.,)-'¯¯¯¯¯¯¯
Foiko, foiko
Raha ny foko no henoiko
Hanome ny Aiko,
Mba ho Sorona,
Ka ny Fanahiko hitovy
Amin'ny vorona
_____,-(''-.,(''-.,*♥*,.-''),.-'')-,________
¯¯¯¯¯¯'-(,.-''(,.-''*♥*''-.,)''-.,)-'¯¯¯¯¯¯¯
Aoka aho,
Mba ho tompon-tsafidy,
Mba tsy havela hihidy,
Ty vavako miteny
♥
Ampy ho ahy izay,
Nitondra mangidy,
Tsy tiako ho tadidy
Reny rehetra ireny !
_____,-(''-.,(''-.,*♥*,.-''),.-'')-,________
¯¯¯¯¯¯'-(,.-''(,.-''*♥*''-.,)''-.,)-'¯¯¯¯¯¯¯
F'izaho sy ialahy
Hamafy hafaliana,
Hanome fanampiana,
Ny mitovy amiko
♥
Raha eo ialahy,
Hiteny ireo nangiana
FAHAFAHANA no iriana,
Ho an'ny Taniko !
♥ Ho an'ny Gasy tsy ankanavaka ♥
Rindra, 14 Décembre 2001
Fisaorana lehibe no atolotro an'i Rindra